Judges 4:18 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nivoaka hitsena an’i Sisera i Jaela ka niteny taminy hoe: Miakara, tompokolahy, miakara atỳ amiko; aza matahotra! Ary rehefa niakatra ho ao aminy tao an-day izy dia norakofany lamba firakotra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nivoaka i Jahela hitsena an’i Sisarà ka nanao taminy hoe: «Mandrosoa, tompoko, mandrosoa atỳ amiko fa aza matahotra.» Dia nandroso aminy tao an-day izy, ka nafeniny tao ambany firakofana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary niainga i Jahela mba hitsena an’i Siserà ka nanao taminy hoe: –Midira, tompoko, midira ato amiko fa aza matahotra! Dia niditra tao an-dainy izy ka norakofany bodofotsy.
Malagasy Bible 1865
Dia nivoaka Jaela hitsena an'i Sisera ka nanao taminy hoe: Miakara, tompokolahy, miakara atỳ amiko; aza matahotra. Ary rehefa niakatra ho ao aminy ao an-day izy, dia norakofany ny lamba firakotra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nivoaka hitsena an’i Sisera i Jaela ka niteny taminy hoe: Miakara, tompokolahy, miakara atỳ amiko; aza matahotra! Ary rehefa niakatra ho ao aminy tao an-day izy dia norakofany lamba firakotra.
malagasy
Dia nivoaka Jaela hitsena an'i Sisera ka nanao taminy hoe: Miakara, tompokolahy, miakara atỳ amiko; aza matahotra. Ary rehefa niakatra ho ao aminy ao an-day izy, dia norakofany ny lamba firakotra.