Judges 4:19 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy i Sisera taminy: Miangavy anao aho, mba omeo rano kely aho hosotroiko fa mangetaheta aho izany. Dia nanokatra siny hoditra nisy ronono izy ka nomeny hosotroiny; dia norakofany indray izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy izy taminy: «Raha sitrakao mba omeo rano kely aho hosotroiko, fa mangetaheta.» Dia nosokafany ny siny hoditra fasian-dronono ka nomeny azy hisotroany dia norakofany izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hoy izy tamin-dravehivavy: –Mba omeo rano kely aho hosotroiko fa mangetaheta! Dia nanokatra ny siny hoditra misy ronono i Jahela ka nampisotro azy; avy teo i Siserà dia norakofany bodofotsy indray.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Sisera taminy: Masìna ianao, omeo rano kely hosotroiko, fa mangetaheta aho izany. Dia nanokatra ny siny hoditra nisy ronono izy ka nomeny hosotroiny; ary dia norakofany indray izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy i Sisera taminy: Miangavy anao aho, mba omeo rano kely aho hosotroiko fa mangetaheta aho izany. Dia nanokatra siny hoditra nisy ronono izy ka nomeny hosotroiny; dia norakofany indray izy.
malagasy
Ary hoy Sisera taminy: Masìna ianao, omeo rano kely hosotroiko, fa mangetaheta aho izany. Dia nanokatra ny siny hoditra nisy ronono izy ka nomeny hosotroiny; ary dia norakofany indray izy.