Judges 4:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa NY TOMPO dia nivarotra azy ho eo an-tanan’i Jabina, mpanjakan’i Kanana, izay nanjaka tany Hazora. Ny komandin’ny miaramilany dia i Sisera izay nonina tany Haroseta-Goima.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka namidin’i Iaveh teo an-tanan’i Jabìna mpanjakan’i Kanaana, izay mpanjaka tao Saôra. I Sisarà no lehiben’ny foloalindahy, ary tao Harôseta-Gôïma izy no nitoetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa natolotry ny TOMPO izy ho eo ambany fifehezan’i Jabîna, mpanjaka kanahanita, izay nanjaka tao Hatsôra. I Siserà, izay nonina tao Harôseta-Gôima, no lehiben’ny tafiny.
Malagasy Bible 1865
Ary Jehovah nivarotra azy ho eo an-tànan'i Jabina, mpanjakan'i Kanana, izay nanjaka tany Hazora, ary Sisera, izay nonina tany Harosetan'ny Jentilisa, no komandin'ny miaramilany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa NY TOMPO dia nivarotra azy ho eo an-tanan’i Jabina, mpanjakan’i Kanana, izay nanjaka tany Hazora. Ny komandin’ny miaramilany dia i Sisera izay nonina tany Haroseta-Goima.
malagasy
Ary Jehovah nivarotra azy ho eo an-tànan'i Jabina, mpanjakan'i Kanana, izay nanjaka tany Hazora, ary Sisera, izay nonina tany Harosetan'ny Jentilisa, no komandin'ny miaramilany.