Judges 4:21 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia naka tsatòkan-day i Jaela, vadin’i Hebera, sady nitondra tantanana teny an-tanany ka nitsaitsaika nankeo aminy; dia natsatony tamin’ny fihirifany ny tsatòkan-day ka nihatra tamin’ny tany; fa renoky ny torimaso noho ny hasasarana i Sisera dia maty.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa nalain’i Jahela vadin’i Habera kosa ny tsima-day, nataony an-tanana ny tantanana, ary nitsaitsaika nanatona azy izy, dia natsatony tamin’ny fihirifany ny tsimatra, ka tafagorobaka tamin’ny tany, fa renoky ny torimaso izy azon’ny hasasarana mafy; dia maty izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary efa sasatra loatra i Siserà ka renoky ny torimaso. Dia naka tsimaday i Jahela, vadin’i Hebera, sady nandray tantanana ka nanatona moramora an’i Siserà. Ary natsatony teo amin’ny fihirifany ny tsimaday ka niboroaka hatramin’ny tany, dia maty i Siserà.
Malagasy Bible 1865
Dia naka tsima-day Jaela, vadin'i Hebera, sady nitondra tantanana teny an-tànany ka nitsaitsaika nankeo aminy; dia natsatony tamin'ny fihirifany ny tsima-day, ka nihatra tamin'ny tany fa efa renoky ny torimaso Sisera, satria sasatra ka dia maty izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia naka tsatòkan-day i Jaela, vadin’i Hebera, sady nitondra tantanana teny an-tanany ka nitsaitsaika nankeo aminy; dia natsatony tamin’ny fihirifany ny tsatòkan-day ka nihatra tamin’ny tany; fa renoky ny torimaso noho ny hasasarana i Sisera dia maty.
malagasy