Judges 4:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nipetraka teo ambanin’ny hazo palman’i Debora izy, teo anelanelan’i Rama sy Betela, tany amin’ny tany be havoana any Efraima; niakatra ho any aminy ny Zanak’Israely rehefa nisy raharaha hotsaraina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Teo ambanin’ny rofian’i Debôrà, anelanelan’i Ramà sy i Betela, amin’ny tendrombohitra Efraima, no nipetrahany hitsara; niakatra ny zanak’i Israely nanatona azy hotsaraina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny sezam-pitsarana nipetrahan’i Debôrà dia teo ambany hazo rofia, izay nantsoina tatỳ aoriana hoe «Hazo Rofian’i Debôrà», teo anelanelan’i Ramà sy i Betela, any amin’ny faritra be tendrombohitra any Efraîma. Niakatra tany ny Israelita rehefa hotsaraina.
Malagasy Bible 1865
Ary izy nipetraka teo ambanin'ny hazo rofian 'i Debora, teo anelanelan'i Rama sy Betela, tany amin'ny tany havoan'i Efraima; ary niakatra ho any aminy ny Zanak'Isiraely hatsaraina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nipetraka teo ambanin’ny hazo palman’i Debora izy, teo anelanelan’i Rama sy Betela, tany amin’ny tany be havoana any Efraima; niakatra ho any aminy ny Zanak’Israely rehefa nisy raharaha hotsaraina.
malagasy
Ary izy nipetraka teo ambanin'ny hazo rofian'i Debora, teo anelanelan'i Rama sy Betela, tany amin'ny tany havoan'i Efraima; ary niakatra ho any aminy ny Zanak'Isiraely hatsaraina.[Palma]