Judges 4:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary i Debora dia nampiantso an’i Baraka, zanak’i Abinoama, avy any Kadesy-Naftaly, ka niteny taminy hoe: Tsy efa nandidy anao va NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely hoe: Mandehana ka mankanesa any amin’ny tendrombohitra Tabara ary mitondrà iray alin-dahy avy amin’ny taranak’i Naftaly sy i Zebolona hiaraka aminao?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Naniraka olona hiantso an’i Baràka, zanak’i Abinaema, tany Kadesa any Neftalì, izy, ka nanao taminy hoe: «Tsy izao va no didy nomen’i Iaveh Andriamanitr’i Israely: Mandehana mankany an-tendrombohitra Tabôra ianao ary mitondrà lehilahy iray alina amin’ny taranak’i Neftalì sy amin’ny taranak’i Zabolôna hiaraka aminao,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Indray andro i Debôrà dia nampiantso an’i Baràka zanakalahin’i Abinôhama; nampiantsoiny avy any Kedesa any amin’ny faritra naftalîta izy ka nilazany hoe: –Izao no andidian’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely anao: Mandehana maka vatan-dehilahy andiany folo avy amin’ny fokon’i Naftalỳ sy i Zebolòna, ka tariho any an-tendrombohitra Tabôra.
Malagasy Bible 1865
Ary Debora naniraka ka niantso an'i Baraka, zanak'i Abinoama, tany Kadesi-naftaly, ka nanao taminy hoe: Moa tsy efa nandidy va Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, nanao hoe: Mandehana, ka mankanesa any an-tendrombohitra Tabara, ary mitondrà iray alin-dahy amin'ny taranak'i Naftaly sy Zebolona hiaraka aminao?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary i Debora dia nampiantso an’i Baraka, zanak’i Abinoama, avy any Kadesy-Naftaly, ka niteny taminy hoe: Tsy efa nandidy anao va NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely hoe: Mandehana ka mankanesa any amin’ny tendrombohitra Tabara ary mitondrà iray alin-dahy avy amin’ny taranak’i Naftaly sy i Zebolona hiaraka aminao?
malagasy