Judges 4:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hotarihiko ho eo aminao, eo amoron’ny ony Kisona, i Sisera, komandin’ny miaramilan’i Jabina mbamin’ny kalesy fitondrany miady sy ny vahoakany marobe; dia hanolotra azy eo an-tananao Aho.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
fa hoentiko ho ao aminao ao amin’ny ranon-driaka Sisaona i Sisarà, lehiben’ny foloalindahin’i Jabìna, mbamin’ny kalesiny sy ny antoko-miaramilany ka hatolotro eo an-tananao».
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa hoentaniko i Siserà lehiben’ny tafik’i Jabîna ho tonga eo amoron’ny renirano Kisôna mba hanafika anao miaraka amin’ny kalesiny sy ny andian-tafiny; dia hatolotro eo an-tananao izy.
Malagasy Bible 1865
Dia ho entiko ho eo aminao, eo amoron'ny ony Kisona, Sisera, komandin'ny miaramilan'i Jabina, mbamin'ny kalesiny sy ny vahoakany maro be; dia hanolotra azy eo an-tananao Aho.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hotarihiko ho eo aminao, eo amoron’ny ony Kisona, i Sisera, komandin’ny miaramilan’i Jabina mbamin’ny kalesy fitondrany miady sy ny vahoakany marobe; dia hanolotra azy eo an-tananao Aho.
malagasy
Dia ho entiko ho eo aminao, eo amoron'ny ony Kisona, Sisera, komandin'ny miaramilan'i Jabina, mbamin'ny kalesiny sy ny vahoakany maro be; dia hanolotra azy eo an-tananao Aho.