Judges 5:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny feon’ireo mpantsaka rano dia eny amin’ny fampisotroan-drano; any no ankalazana ireo asa marina nataon’NY TOMPO, dia ireo asam-pahamarinana nataony tamin’ny tanin’ny Israely. Tamin’izany dia nidina ho any am-bavahady ny olon’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Aoka ny mpandefa zana-tsipîka eo akaikin’ny rano fisotroam-biby, hankalaza amin’ny feony ny fahamarinan’i Iaveh, dia ny fahamarinana nataony tamin’ny taniny, ao amin’i Israely! Tamin’izay ny vahoakan’i Iaveh nidina ho eny am-bavahadiny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Teo akaikin’ny fampisotroan-drano, ireo mpizara rano ho an’ny biby fiompy no nankalaza ny fandresen’ny TOMPO, dia fandresena nomeny ireo lehiben’i Israely fony injay nirotsaka hiady teo am-bavahadin’ny tanàna ilay vahoakan’ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Lavitra ny feon'ny mpandefa zana-tsipìka, dia eo amin'ny fantsakan-drano, no hiresahany ny asa marina nataon'i Jehovah, dia ny fahamarinany tamin'ny tany Isily; Tamin'izany dia nidina ny olon'i Jehovah ho any am-bavahady.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny feon’ireo mpantsaka rano dia eny amin’ny fampisotroan-drano; any no ankalazana ireo asa marina nataon’NY TOMPO, dia ireo asam-pahamarinana nataony tamin’ny tanin’ny Israely. Tamin’izany dia nidina ho any am-bavahady ny olon’NY TOMPO.
malagasy
Lavitra ny feon'ny mpandefa zana-tsipìka, dia eo amin'ny fantsakan-drano, no hiresahany ny asa marina nataon'i Jehovah, dia ny fahamarinany tamin'ny tany Isily; Tamin'izany dia nidina ny olon'i Jehovah ho any am-bavahady.[Na: tamin'ny fitondrany ny]