Judges 5:15 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ireo manamboninahitr’Isakara dia niaraka tamin’i Debora. I Baraka dia sahala amin’Isakara, nanezaka an-tongotra nanaraka azy tany an-dohasaha. Tsy nisy farany ny adihevitra teo amin’ireo sakeli-dranon’i Robena!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Miakara amin’i Debôrà, ny andrian’i Isakara, eo anilan’i Baràka i Isakara, teo an-tany lemaka dia voairaka hanaraka azy izy. Teo akaikin’ny sakeli-dranon-dRobena, nisy fikasana lehibe tao am-po:
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ireo lehiben’i Jisakara dia niandany tamin’i Debôrà; ary nifikitra tamin’i Baràka ny fokon’i Jisakara ka niriotra nanaraka azy teny amin’ny tany lemaka. Tao amin’ny fokon’i Reobena kosa dia adihevitra tsisy farany.
Malagasy Bible 1865
Ary ny andrianan'Isakara niaraka tamin'i Debora, dia Isakara sy Baraka koa; Nampandehanina nanaraka azy any an-dohasaha izy. Lehibe ny fiheverana am-po teny amin'ny sakeli-dranon'i Robena!
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Ary ny andrianan'Isakara niaraka tamin'i Debora, dia Isakara sy Baraka koa; Nampandehanina nanaraka azy any an-dohasaha izy. Lehibe ny fiheverana am-po teny amin'ny sakeli-dranon'i Robena!