Judges 5:16 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nahoana ianao no nitoetra teny anelanelan’ny vala ka nihaino fotsiny ny feon-tsodina teny amin’ny ondry? Tsy nisy farany ny adi-hevitra teny amin’ireo sakeli-dranon’i Robena!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nahoana no nijanona teo afovoan’ny tanimbolinao ianao, nihaino ny feon-tsodin’ny mpiandry ondrinao? Teo akaikin’ny sakeli-dranon-dRobena nisy fikasana lehibe tao am-po.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nahoana ianareo no nijanona teny anelanelan’ny vala hihaino ny siotsiokan’ny mpiandry ondry? Tao amin’ny fokon’i Reobena tokoa dia adihevitra tsisy farany.
Malagasy Bible 1865
Nahoana ianao no nitoetra teo anelanelan'ny vala, hihainoanao ny feon-tsodina any amin'ny ondry? Lehibe ny fiheverana am-po teny amin'ny sakeli-dranon'i Robena!
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nahoana ianao no nitoetra teny anelanelan’ny vala ka nihaino fotsiny ny feon-tsodina teny amin’ny ondry? Tsy nisy farany ny adi-hevitra teny amin’ireo sakeli-dranon’i Robena!
malagasy
Nahoana ianao no nitoetra teo anelanelan'ny vala, hihainoanao ny feon-tsodina any amin'ny ondry? Lehibe ny fiheverana am-po teny amin'ny sakeli-dranon'i Robena!