Judges 5:17 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
I Gileada dia nijanona tany andafin’i Jordana. Ary nahoana i Dana no nitoetra teny amin’ny sambo? I Asera dia nipetraka tany amoron-dranomasina, teny amin’ny fitodian-tsambo no nonenany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
I Galaada tsy nandao ny fonenany tany an-dafin’i Jordany; ary i Dana, nahoana no nitoetra tao an-tsambony? I Asera nijanona tsy nihetsika akory teo amoron-dranomasina; teo am-pitodian-tsambony no nijanonany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy nihetsika koa ny terak’i Gilehada teny an-dafy atsinanan’i Jôrdàna. Ary nahoana ny fokon’i Dana no nipetra-potsiny teo anilan’ny sambony? Ny fokon’i Asera koa nonina teo amoron-dranomasina ka nijanona teo amin’ny fitodian-tsambony.
Malagasy Bible 1865
Gileada nitoetra tany an-dafin'i Jordana; Ary nahoana Dana no nitoetra tany an-tsambo? Asera nitoetra tany amoron-dranomasina, Ary teny amin'ny fitodiany no nipetrahany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
I Gileada dia nijanona tany andafin’i Jordana. Ary nahoana i Dana no nitoetra teny amin’ny sambo? I Asera dia nipetraka tany amoron-dranomasina, teny amin’ny fitodian-tsambo no nonenany.
malagasy
Gileada nitoetra tany an-dafin'i Jordana; Ary nahoana Dana no nitoetra tany an-tsambo? Asera nitoetra tany amoron-dranomasina, Ary teny amin'ny fitodiany no nipetrahany.