Judges 5:18 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
I Zebolona dia firenena nanao vy very ny ainy hatramin’ny fahafatesana, toy izany koa i Naftaly, teny amin’ny havoana tamin’ny tany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa i Zabolôna no firenena manao vy very ny ainy; torak’izany koa i Neftalì eo amin’ny havoany marin-tampona.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny vahoakan’i Zebolòna mbamin’i Naftalỳ kosa dia nanaiky hanao vy very ny ainy teo an-tany fiadiana, na dia ho faty aza!
Malagasy Bible 1865
Zebolona dia firenena nanao tsinontsinona ny ainy, na dia ho faty aza, Ary Naftaly koa teo amin'ny fitoerana avo any an-tsaha.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
I Zebolona dia firenena nanao vy very ny ainy hatramin’ny fahafatesana, toy izany koa i Naftaly, teny amin’ny havoana tamin’ny tany.
malagasy
Zebolona dia firenena nanao tsinontsinona ny ainy, na dia ho faty aza, Ary Naftaly koa teo amin'ny fitoerana avo any an-tsaha.