Judges 5:23 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ozòny i Meroza, hoy ilay Anjelin’NY TOMPO, ozòny tanteraka ny mponina ao! Satria tsy mba tonga nanampy NY TOMPO izy, eny, tsy nanampy NY TOMPO niaraka tamin’ireo mpiady mahery.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ozòny i Mezôra, hoy ny Anjelin’i Iaveh, Ozòny dia ozòny ny mponina ao! Fa tsy mba tonga hanampy an’i Iaveh ireny, fa tsy nanampy an’i Iaveh ireny niaraka tamin’ny mahery.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ozòny ny tanàna Merôza, hoy ilay anjeli n’ny TOMPO. Ozòny, ozòny ny mponina ao aminy noho izy tsy tonga hikatroka niaraka tamin’ireo mahery fo mba hanampy ny TOMPO hiady.
Malagasy Bible 1865
Ozony Meroza, hoy Ilay Anjelin'i Jehovah, Ozony dia ozòny ny mponina ao, Satria tsy mba tonga hanampy an'i Jehovah izy, eny, tsy nanampy an'i Jehovah hamely ny mahery.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ozòny i Meroza, hoy ilay Anjelin’NY TOMPO*, ozòny tanteraka ny mponina ao! Satria tsy mba tonga nanampy NY TOMPO izy, eny, tsy nanampy NY TOMPO niaraka tamin’ireo mpiady mahery.
malagasy
Ozony Meroza, hoy Ilay Anjelin'i Jehovah, Ozony dia ozòny ny mponina ao, Satria tsy mba tonga hanampy an'i Jehovah izy, eny, tsy nanampy an'i Jehovah hamely ny mahery.[Na: isan']