Judges 5:30 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Efa nahita babo izao izy ireo e! Efa mizara babo izao izy ireo e! Dia zazavavy iray, zazavavy roa, ho an’ny mpiady iray, lamba azo babo samihafa volo ho an’i Sisera, lamba azo babo, lamba roa samihafa soratra, lamba azo babo hatao eo am-bozoko.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy nahita va izy ireo, tsy mizara babo va izy ireo? Zazavavy iray, zazavavy roa ho an’ny isa-mpiady; lamba misoratsoratra ho babon’i Sisarà; lamba samihafa soratra ho babo, lamba misoratsoratra iray, lamba roa samy hafa soratra ho eo an-tsoroky ny vavy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Manangona babo izay ny miaramila, ary mbola eo am-pizaràna azy: tovovavy iray na roa isaky ny mahery fo; karazan-damba miloko samy hafa sady vita peta-kofehy ho an’i Siserà; eny, lamba vita peta-kofehy anatiny sy ivelany no hahodidina ny vozon’ilay mpamabo.»
Malagasy Bible 1865
Tsy efa mahita va izy? Tsy mizara babo va izy? Dia zazavavy iray na roa ho an'ny isan-dahy, Ary lamba samy hafa volo ho babon'i Sisera, Lamba roa samy hafa soratra ho eo am-bozon'ny nahazo babo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Efa nahita babo izao izy ireo e! Efa mizara babo izao izy ireo e! Dia zazavavy iray, zazavavy roa, ho an’ny mpiady iray, lamba azo babo samihafa volo ho an’i Sisera, lamba azo babo, lamba roa samihafa soratra, lamba azo babo hatao eo am-bozoko.
malagasy
Tsy efa mahita va izy? Tsy mizara babo va izy? Dia zazavavy iray na roa ho an'ny isan-dahy, Ary lamba samy hafa volo ho babon'i Sisera, Lamba roa samy hafa soratra ho eo am-bozon'ny nahazo babo.Ho levona tahaka izany anie ny fahavalonao rehetra, Jehovah ô; Fa aoka izay tia Azy kosa ho tahaka ny masoandro, raha miposaka amin'ny heriny izy. Dia nandry ny tany efa-polo taona.