Judges 5:31 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ho levona tahaka izany anie ny fahavalonao rehetra, ry TOMPO ô! Fa izay tia Azy kosa, aoka ho tahaka ny masoandro miposaka amin’ny heriny. Dia nandry ny tany nandritra efapolo taona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny fahavalonao rehetra anie ho levona toy izany, Iaveh ô, ary izay tia Anao kosa, hanahaka ny masoandro raha ilay miposaka amin’ny heriny izy!»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
TOMPO ô, aoka ny fahavalonao rehetra ho faty tahaka an’i Siserà avokoa; fa ny sakaizanao kosa anie ho toy ny masoandro fony izy miposaka mamirapiratra mafy indrindra! Dia nandry feizay ny tany nandritra ny efapolo taona.
Malagasy Bible 1865
Ho levona tahaka izany anie ny fahavalonao rehetra, Jehovah ô; Fa aoka izay tia Azy kosa ho tahaka ny masoandro, raha miposaka amin'ny heriny izy. Dia nandry ny tany efa-polo taona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ho levona tahaka izany anie ny fahavalonao rehetra, ry TOMPO ô! Fa izay tia Azy kosa, aoka ho tahaka ny masoandro miposaka amin’ny heriny. Dia nandry ny tany nandritra efapolo taona.
malagasy
Ho levona tahaka izany anie ny fahavalonao rehetra, Jehovah ô; Fa aoka izay tia Azy kosa ho tahaka ny masoandro, raha miposaka amin'ny heriny izy. Dia nandry ny tany efa-polo taona.