Judges 5:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
TOMPO ô, fony Ianao nivoaka avy tany Seìra ary nandeha avy tany amin’ny tany Edoma dia nihorohoro ny tany ary ny lanitra koa nitete; eny, ny rahona matevina dia nitete rano.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Iaveh ô, fony ianao nivoaka avy any Seira, nony nandroso avy any an-tsahan’i Edôma, nihorohoro ny tany, ny lanitra aza nitsonika, ary nitsonika ho rano ny rahona.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa tonga avy tany Edôma Ianao, Tompo ô, ka nidina avy teny an-tendrombohitra Sehira, dia nihovotrovotra ny tany, ary nandrotsaka orana ny rahona, dia ora-mikija avy any an-danitra;
Malagasy Bible 1865
Jehovah ô, fony nivoaka avy tany Seïra Hianao ary nandeha avy tany amin'ny tany Edoma, dia nihorohoro ny tany, ary ny lanitra koa nitete; Eny, ny rahona matevina nitete rano.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
TOMPO ô, fony Ianao nivoaka avy tany Seìra ary nandeha avy tany amin’ny tany Edoma dia nihorohoro ny tany ary ny lanitra koa nitete; eny, ny rahona matevina dia nitete rano.
malagasy
Jehovah ô, fony nivoaka avy tany Seïra Hianao ary nandeha avy tany amin'ny tany Edoma, dia nihorohoro ny tany, ary ny lanitra koa nitete; Eny, ny rahona matevina nitete rano.[Heb. tamin'ny saha]