Judges 6:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia tonga ilay Anjelin’NY TOMPO ka nipetraka teo ambanin’ny hazo terebinta teo Ofra, izay an’i Joasy Abiezerita. Tamin’izay i Gideona zanany dia nively vary tao amin’ny famiazam-boaloboka mba hanafenany azy tamin’ny Midianita.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary tonga ny Anjelin’i Iaveh ka nipetraka teo ambanin’ny terebinta tao Efrà, izay an’i Jôasy, fianakavian’i Abiesera. Nively vary teo amin’ny fitoerana famiazam-boaloboka i Jedeôna zanany tamin’izay, mba hapetrany amin’izay tsy hahitan’i Madiàna azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary tonga tao an-tanàna Hôfrà ilay anjeli n’ny TOMPO ka nipetraka teo ambanin’ny hazo terebinta izay an’i Jôasy lehilahy anisan’ny tarik’i Abihezera. I Gidehôna zanakalahin’i Jôasy tamin’izay dia teo am-pivelezam-bary tao amin’ny famiazam-boaloboka mba tsy ho hitan’ny Midianita.
Malagasy Bible 1865
Dia tonga Ilay Anjelin'i Jehovah ka nipetraka teo ambanin'ny hazo terebinta teo Ofra, izay an'i Joasy Abiezrita; ary Gideona zanany nively vary tamin'ny fantàka teo anilan'ny famiazam-boaloboka mba hafeniny amin'ny Midiana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia tonga ilay Anjelin’NY TOMPO* ka nipetraka teo ambanin’ny hazo terebinta* teo Ofra, izay an’i Joasy Abiezerita. Tamin’izay i Gideona zanany dia nively vary tao amin’ny famiazam-boaloboka mba hanafenany azy tamin’ny Midianita.
malagasy
Dia tonga Ilay Anjelin'i Jehovah ka nipetraka teo ambanin'ny hazo terebinta teo Ofra, izay an'i Joasy Abiezrita; ary Gideona zanany nively vary tamin'ny fantàka teo anilan'ny famiazam-boaloboka mba hafeniny amin'ny Midiana.