Judges 6:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa hoy i Gideona taminy: Indrisy tompoko, raha momba anay NY TOMPO, nahoana no mihatra aminay izao zavatra rehetra izao? Aiza ny fahagagana rehetra nataony, izay notantarain’ny razanay taminay hoe: Tsy nitondra antsika niakatra avy tany Ejipta va NY TOMPO? Fa ankehitriny, efa nahafoy anay mihitsy NY TOMPO ka nanolotra anay eo an-tanan’ny Midianita.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Indrisy, Tompoko, raha momba anay i Iaveh, ahoana no dia ianjeran’izao zavatra rehetra izao aminay? Ary aiza ny fahagagany rehetra izay tantarain’ny razanay aminay ataony hoe: Moa tsy nitondra anay niakatra avy tany Ejipta va i Iaveh? Fa efa nafoin’i Iaveh mihitsy izahay ankehitriny; ary efa natolony eo an-tanan’i Madiàna».
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa novalian’i Gidehôna hoe: –Azafady, tompoko! Raha momba anay ny TOMPO, nahoana no iharan’izao loza rehetra izao izahay? Aiza avokoa ireo zava-mahagaga notantarain’ny razanay fa nataon’ny TOMPO fony Izy namoaka azy ireny avy tany Ejipta? Fa ankehitriny efa nanary anay ny TOMPO, ka nanolotra anay eo an-tanan’ny Midianita.
Malagasy Bible 1865
Fa hoy Gideona taminy: Indrisy, Tompoko, raha momba anay Jehovah, nahoana no ozoin'izao rehetra izao izahay? Ary aiza ny fahagagana rehetra nataony, izay nolazain'ny razanay taminay hoe: Tsy nitondra anay niakatra avy tany Egypta va Jehovah? Fa ankehitriny efa nahafoy anay mihitsy Jehovah ka nanolotra anay eo an-tànan'ny Midiana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa hoy i Gideona taminy: Indrisy tompoko, raha momba anay NY TOMPO, nahoana no mihatra aminay izao zavatra rehetra izao? Aiza ny fahagagana rehetra nataony, izay notantarain’ny razanay taminay hoe: Tsy nitondra antsika niakatra avy tany Ejipta va NY TOMPO? Fa ankehitriny, efa nahafoy anay mihitsy NY TOMPO ka nanolotra anay eo an-tanan’ny Midianita.
malagasy