Judges 6:15 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa hoy i Gideona Taminy: Indrisy, Tompo ô, amin’ny alalan’ny inona no hanafahako ny Israely? E! ny ankohonako no kely hery indrindra eo amin’ny Manase, ary izaho no kely indrindra amin’ny ankohonan’ny raiko!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy i Jedeôna taminy: «Indrisy, Tompoko ô! Amin’ny inona no hanafahako an’i Israely? Indro ny fianakaviako fa faraidiny indrindra amin’i Manase, ary izaho no kely indrindra amin’ny ankohonan’i dada».
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia novalian’i Gidehôna hoe: –Indrisy, Tompo ô, ahoana no ahazoako mamonjy an’i Israely? Kanefa ny fianakaviako no osa indrindra amin’ny fokon’i Manase ary izaho no tanora indrindra ao an-tranon’ny raiko.
Malagasy Bible 1865
Fa hoy izy taminy: Indrisy, Tompo ô, hataoko ahoana no famonjy ny Isiraely? He! ny mpianakaviko no malahelo indrindra eo amin'ny Manase, ary izaho no kely indrindra amin'ny ankohonan'ny raiko.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Fa hoy izy taminy: Indrisy, Tompo ô, hataoko ahoana no famonjy ny Isiraely? He! ny mpianakaviko no malahelo indrindra eo amin'ny Manase, ary izaho no kely indrindra amin'ny ankohonan'ny raiko.