Judges 6:18 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Miangavy Anao mba tsy hiala eto mandra-piaviko hitondra fanatitra ka hapetrako eto anatrehanao izany. Dia hoy Izy: Eny, hiandry Aho mandra-piverinao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Aza dia miala eto Ianao mandra-piveriko eto aminao, mitondra ny fanatitro sy mandroso azy eo anoloanao.» Dia hoy i Iaveh: «Hiandry mandra-piverinao Aho.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Aoka mba tsy hiala eto Ianao mandra-piveriko mitondra fanatitra izay tiako hatolotra eto anatrehanao. Ka hoy ny TOMPO hoe: –Hijanona eto Aho mandra-piverinao.
Malagasy Bible 1865
Masina Hianao, aza miala eto mandra-pihaviko eto aminao hitondra ny fanatitra hohanina, ka hapetrako eto anatrehanao. Dia hoy Izy: Eny, Izaho hiandry mandra-piverinao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Miangavy Anao mba tsy hiala eto mandra-piaviko hitondra fanatitra ka hapetrako eto anatrehanao izany. Dia hoy Izy: Eny, hiandry Aho mandra-piverinao.
malagasy
Masina Hianao, aza miala eto mandra-pihaviko eto aminao hitondra ny fanatitra hohanina, ka hapetrako eto anatrehanao. Dia hoy Izy: Eny, Izaho hiandry mandra-piverinao.