Judges 6:19 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia lasa i Gideona nanomana zanak’osy sy mofo tsy misy masirasira tamin’ny koba eran’ny efaha; ny hena dia nataony tao anaty harona ary ny ron-kena dia nataony tao anaty vilany; dia noentiny ho eo Aminy teo ambanin’ilay hazo terebinta izany ka natolony Azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony niditra i Jedeôna dia namboatra zanak’osy ary nanao mofo tsy misy lalivay tamin’ny lafarina iray efah, ka rehefa nataony tao anaty harona ny hena, ary tao anaty vilany ny ro dia nentiny tamin’izay teo ambanin’ny terebinta ka natolony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nandeha i Gidehôna ka namboatra zanak’osy sy mofo tsy misy leviora tamin’ny koba ankevitry ny telopolo kilao. Nataony tao anaty harona ny hena ary nataony tao anaty vilany ny ron-kena, dia nentiny teo ambanin’ny terebinta ka natolony ny Tompo.
Malagasy Bible 1865
Ary Gideona lasa niditra ka namboatra zanak'osy sy mofo tsy misy masirasira tamin'ny koba iray efaha, ka ny hena nataony tao anatin'ny harona, ary ny ron-kena nataony tao anatin'ny vilany, dia nentiny ho eo aminy, teo ambanin'ilay hazo terebinta ka natolony Azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia lasa i Gideona nanomana zanak’osy sy mofo tsy misy masirasira tamin’ny koba eran’ny efaha*; ny hena dia nataony tao anaty harona ary ny ron-kena dia nataony tao anaty vilany; dia noentiny ho eo Aminy teo ambanin’ilay hazo terebinta izany ka natolony Azy.
malagasy
Ary Gideona lasa niditra ka namboatra zanak'osy sy mofo tsy misy masirasira tamin'ny koba iray efaha, ka ny hena nataony tao anatin'ny harona, ary ny ron-kena nataony tao anatin'ny vilany, dia nentiny ho eo aminy, teo ambanin'ilay hazo terebinta ka natolony Azy.