Judges 6:21 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary naroson’ilay Anjelin’NY TOMPO ny lohan’ny tehina izay teny an-tanany ka notendreny ny hena sy ny mofo tsy misy masirasira; dia nisy afo nivoaka avy tamin’ny vatolampy ka nandevona ny hena sy ny mofo tsy misy masirasira. Dia lasa ilay Anjelin’NY TOMPO ka tsy hitan’ny masony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary naroson’ny Anjelin’i Iaveh ny lohan’ny tehina teny an-tanany, ka natendriny ny hena sy ny mofo tsy misy lalivay, dia nisy afo nivoaka niaraka tamin’izay tamin’ny vatolampy, nandevona ny hena sy ny mofo tsy misy lalivay; ary nanjavona tsy hitan’ny masony ny Anjelin’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary naninji-tanana ilay anjelin’ny TOMPO, ka nokasihiny tamin’ny tendron’ilay tehina teny an-tanany ny hena sy ny mofo tsy nisy leviora; dia nivoaka afo ny vatolampy ka nandevona ny hena sy ny mofo. Avy eo ilay anjelin’ny TOMPO dia nanjavona teo imasony.
Malagasy Bible 1865
Ary naroson'Ilay Anjelin'i Jehovah ny lohan'ny tehina izay teny an-tànany ka natendriny ny hena sy ny mofo tsy misy masirasira; dia nisy afo nivoaka avy tamin'ny vatolampy ka nandevona ny hena sy ny mofo tsy misy masirasira. Ary Ilay Anjelin'i Jehovah dia lasa niala teo imasony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary naroson’ilay Anjelin’NY TOMPO ny lohan’ny tehina izay teny an-tanany ka notendreny ny hena sy ny mofo tsy misy masirasira; dia nisy afo nivoaka avy tamin’ny vatolampy ka nandevona ny hena sy ny mofo tsy misy masirasira. Dia lasa ilay Anjelin’NY TOMPO ka tsy hitan’ny masony.
malagasy