Judges 6:25 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’iny alina iny ihany dia hoy NY TOMPO taminy: Alao ny ombilahin-drainao, dia ilay ombilahy faharoa izay fito taona ka ravao ny alitaran’ny Baala izay an’ny rainao, ary kapao ny tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha izay eo anilany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Alin’iny ihany, dia hoy i Iaveh tamin’i Jedeôna: «Alao ny vantotr’ombalahin-drainao, ny ombalahy faharoa, ilay efa fito taona. Ravao ny ôtelin’i Baala izay an-drainao, ary kapao ny Aserah eo anilany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’io alina io ihany ny TOMPO dia nandidy an’i Gidehôna hoe: –Alao ny ombilahin-drainao, ilay faharoa efa fito taona. Ravao ny alitaran ’i Bahala izay an-drainao ary kapao ny tsatokazon-tsampy eo anilany;
Malagasy Bible 1865
Ary tamin'izany alina izany dia hoy Jehovah taminy: Alao ny ombilain-drainao, dia ilay ombilahy faharoa, izay efa fito taona, ka ravao ny alitaran'i Bala, izay an'ny rainao, ary kapao ny Aseraha eo anilany;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’iny alina iny ihany dia hoy NY TOMPO taminy: Alao ny ombilahin-drainao, dia ilay ombilahy faharoa izay fito taona ka ravao ny alitaran’ny Baala* izay an’ny rainao, ary kapao ny tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha* izay eo anilany.
malagasy
Ary tamin'izany alina izany dia hoy Jehovah taminy: Alao ny ombilain-drainao, dia ilay ombilahy faharoa, izay efa fito taona, ka ravao ny alitaran'i Bala, izay an'ny rainao, ary kapao ny Aseraha eo anilany;[Na: sy][Anaran'andriamani-tsi-izy, na ny sariny]