Judges 6:26 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia manorena alitara ho an’NY TOMPO Andriamanitrao eto an-tampon’ity toeram-piarovana ity ka amboary tsara araka izay tokony ho izy izany. Ary alao ilay ombilahy faharoa ka atolory ho fanatitra dorana manontolo amin’ny hazo avy amin’ilay tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha izay hokapainao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha efa izany manorena ôtely eo an-tampon’ity fitoerana mimanda ity, ho an’i Iaveh Andriamanitrao, sy manamboara azy, ka alao ilay ombalahy faharoa, ary manolora sorona dorana amin’ny hazon’Aserah hokapainao.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
dia manangàna alitara voamboatra tsara ho an’ny TOMPO Andriamanitrao eo an-tampon’io havoana io. Ary ento ny ombilahin-drainao ka atolory ho sorona dorana manontolo eo; ka ny tsatokazon-tsampy nokapainao no ataovy kitay.
Malagasy Bible 1865
dia manorena alitara eto an-tampon'ity fiarovana ity ho an'i Jehovah Andriamanitrao, ka amboary tsara izy, ary alao ilay ombilahy faharoa, ka atero ho fanatitra dorana amin'ny hazon'ny Aseraha izay hokapainao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia manorena alitara ho an’NY TOMPO Andriamanitrao eto an-tampon’ity toeram-piarovana ity ka amboary tsara araka izay tokony ho izy izany. Ary alao ilay ombilahy faharoa ka atolory ho fanatitra dorana manontolo amin’ny hazo avy amin’ilay tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha izay hokapainao.
malagasy
dia manorena alitara eto an-tampon'ity fiarovana ity ho an'i Jehovah Andriamanitrao, ka amboary tsara izy, ary alao ilay ombilahy faharoa, ka atero ho fanatitra dorana amin'ny hazon'ny Aseraha izay hokapainao.[Na: amin'ny zavatra vonona eo]