Judges 6:27 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia naka folo lahy tamin’ny mpanompony i Gideona ka nanatanteraka araka izay nolazain’NY TOMPO taminy; ary satria natahotra ny fianakavian-drainy sy ireo lehilahy tao an-tanàna izy dia tsy nanao izany tamin’ny antoandro, fa tamin’ny alina no nanaovany azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia naka folo lahy tamin’ny mpanompony i Jedeôna ka nanatanteraka izay nolazain’i Iaveh taminy. Nefa tsy sahy nanao izany antoandro izy, fa natahotra ny ankohonan-drainy mbamin’ny olona tao an-tanàna ka alina vao nanao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nifidy folo lahy tamin’ireo mpanompony i Gidehôna mba hanao araka izay efa nandidian’ny TOMPO azy. Saingy tamin’ny alina no nanatanterahany azy fa natahotra ny hanao azy tamin’ny antoandro izy noho ny amin’ny fianakaviany sy ny mponina tao an-tanàna.
Malagasy Bible 1865
Ary Gideona naka folo lahy tamin'ny mpanompony ka nanao araka izay efa nolazain'i Jehovah taminy; ary satria natahotra ny fianakavian-drainy sy ny lehilahy tao an-tanàna izy dia tsy nanao izany tamin'ny antoandro, fa tamin'ny alina no nanaovany azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia naka folo lahy tamin’ny mpanompony i Gideona ka nanatanteraka araka izay nolazain’NY TOMPO taminy; ary satria natahotra ny fianakavian-drainy sy ireo lehilahy tao an-tanàna izy dia tsy nanao izany tamin’ny antoandro, fa tamin’ny alina no nanaovany azy.
malagasy