Judges 6:28 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony nifoha vao maraina ny lehilahy tao an-tanàna ka nahita fa indro, potika ny alitaran’ny Baala sady voakapa ny tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha izay teo anilany, ary ilay ombilahy faharoa dia efa natao fanatitra dorana manontolo teo ambonin’ilay alitara izay voaorina,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony ampitso maraina, ka nifoha ny olona tao an-tanàna, dia indro fa ny ôtelin’i Baala rava, ny Aserah teo anilany voakapa, ny ombalahy faharoa, voatolotra ho sorona dorana, teo ambonin’ny ôtely vao naorina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary nony nifoha ny olona ny maraina, dia nahita fa rava ny alitaran’i Bahala, voakapa ny tsatokazon’i Aserà teo anilany, ary nisy ombilahy iray natao sorona dorana manontolo teo ambonin’ilay alitara vao namboarina.
Malagasy Bible 1865
Fa nony nifoha maraina koa ny lehilahy tao an-tanàna, ka indro, efa rava ny alitaran'i Bala, sady voakapa ny Aseraha teo anilany, ary ilay ombilahy faharoa dia efa naterina teo ambonin'ny alitara izay natao,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony nifoha vao maraina ny lehilahy tao an-tanàna ka nahita fa indro, potika ny alitaran’ny Baala sady voakapa ny tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha izay teo anilany, ary ilay ombilahy faharoa dia efa natao fanatitra dorana manontolo teo ambonin’ilay alitara izay voaorina,
malagasy