Judges 6:30 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy ireo lehilahy tao an-tanàna tamin’i Joasy: Avoahy ny zanakao mba hovonoina satria nandrava ny alitaran’ny Baala izy sady nikapa ny tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha teo anilany!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’izay ny olona tao an-tanàna nilaza tamin’i Jôasy hoe: «Avoahy ny zanakao ka aoka hovonoina izy fa nandrava ny ôtelin’i Baala, ary nikapa ny Aserah teo anilany.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hoy ny olona tao an-tanàna tamin’i Jôasy hoe: –Avoahy atỳ ny zanakao lahy hovonoina ho faty, satria nandrava ny alitaran’i Bahala izy sady nikapa ny tsatokazon-tsampy teo anilany.
Malagasy Bible 1865
Dia hoy ny lehilahy tao an-tanàna tamin'i Joasy: Avoahy ny zanakao mba hovonoina, satria efa nandrava ny alitaran'i Bala izy sady efa nikapa ny Aseraha teo anilany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy ireo lehilahy tao an-tanàna tamin’i Joasy: Avoahy ny zanakao mba hovonoina satria nandrava ny alitaran’ny Baala izy sady nikapa ny tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha teo anilany!
malagasy
Dia hoy ny lehilahy tao an-tanàna tamin'i Joasy: Avoahy ny zanakao mba hovonoina, satria efa nandrava ny alitaran'i Bala izy sady efa nikapa ny Aseraha teo anilany.