Judges 6:31 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy i Joasy tamin’izay rehetra nitsangana teo anatrehany: Ianareo va no handahatra hiaro ny Baala? Ianareo va no hamonjy azy? Izay handahatra hiaro ny Baala dia hovonoina alohan’ny andro maraina! Raha andriamanitra ny Baala, aoka izy handahatra hiaro ny tenany, satria nisy nandrava ny alitarany!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy i Jôasy tamin’izay rehetra nitsangana teo hamely azy: «Ianareo indray ve no tokony hitsangana hiaro an’i Baala? Ianareo indray ve tokony hamonjy azy? Na zovy na zovy hitsangana hiaro an’i Baala, dia hatao maty alohan’ny ampitso maraina. Raha Andriamanitra i Baala dia aoka izy ihany no hitsangana hiaro ny tenany, fa noravan’olona ny ôteliny.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa namaly ireo rehetra nitsangan-kanohitra azy i Jôasy ka nanao hoe: –Moa ianareo va no hiaro an’i Bahala sy tonga hamonjy azy? Na iza na iza hiaro an’i Bahala dia hovonoina ho faty, alohan’ny rahampitso maraina. Fa raha andriamanitra i Bahala, aoka izy hiaro tena satria ny alitarany no noravana!
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Joasy tamin'izay rehetra nitsangana teo anatrehany: Moa ianareo handahatra ho an'i Bala va? Hianareo va no hamonjy azy? Izay handahatra ho an'i Bala dia hatao maty, raha mbola maraina ny andro: raha andriamanitra Bala, aoka izy handahatra ho an'ny tenany, fa nisy nandrava ny alitarany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy i Joasy tamin’izay rehetra nitsangana teo anatrehany: Ianareo va no handahatra hiaro ny Baala? Ianareo va no hamonjy azy? Izay handahatra hiaro ny Baala dia hovonoina alohan’ny andro maraina! Raha andriamanitra ny Baala, aoka izy handahatra hiaro ny tenany, satria nisy nandrava ny alitarany!
malagasy
Ary hoy Joasy tamin'izay rehetra nitsangana teo anatrehany: Moa ianareo handahatra ho an'i Bala va? Hianareo va no hamonjy azy? Izay handahatra ho an'i Bala dia hatao maty, raha mbola maraina ny andro: raha andriamanitra Bala, aoka izy handahatra ho an'ny tenany, fa nisy nandrava ny alitarany.[Na: mandra-pahamarain']