Judges 6:32 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’izany andro izany, ny anaran’i Gideona dia natao hoe Jerobaala, satria hoy ny olona: Aoka ny Baala no hifandahatra aminy satria noravany ny alitarany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’izany andro izany no nanomezan’ny olona anarana an’i Jedeôna hoe Jerobaala, fa nataony hoe: «Aoka i Baala hiaro tena aminy, satria noravany ny ôteliny.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nanomboka hatreo i Gidehôna dia nantsoina hoe Jerobahala, izany hoe «Aoka hiaro tena i Bahala»; ny antony moa dia ny amin’ny tenin’i Jôasy hoe: «Aoka hiaro tena i Bahala satria ny alitarany no noravana!»
Malagasy Bible 1865
Ary tamin'izany andro izany ny anaran'ny Gideona dia nataony hoe Jerobala, fa hoy izy: Aoka Bala no hifandahatra aminy, satria noravany ny alitarany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’izany andro izany, ny anaran’i Gideona dia natao hoe Jerobaala, satria hoy ny olona: Aoka ny Baala no hifandahatra aminy satria noravany ny alitarany.
malagasy
Ary tamin'izany andro izany ny anaran'ny Gideona dia nataony hoe Jerobala, fa hoy izy: Aoka Bala no hifandahatra aminy, satria noravany ny alitarany.[Jerobala = Aoka Bala no handahatra]