Judges 6:33 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nivory ny Midianita rehetra sy ny Amalekita ary ny zanaky ny Atsinanana, dia nita ka nitoby teny amin’ny tany lemaka Jezirela.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary nivory i Madiàna sy i Amaleka mbamin’ny zanaky ny Atsinanana rehetra, ka nita an’i Jordany izy, dia nitoby teo amin’ny tany lemaka Jezraela.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny Midianita rehetra mbamin’ny Hamalekita ary ny mpifindrafindra lasy avy any atsinanana dia nivondrona ka niampita an’i Jôrdàna ary nanorina ny tobiny tao amin’ny lemak’i Jizrehela.
Malagasy Bible 1865
Ary ny Midiana rehetra sy ny Amalekita ary ny zanaky ny atsinanana nivory, dia nita ka nitoby teny amin'ny tany lemaka Jezirela.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nivory ny Midianita rehetra sy ny Amalekita ary ny zanaky ny Atsinanana, dia nita ka nitoby teny amin’ny tany lemaka Jezirela.
malagasy
[Ny nandresen'i Gideona ny Midiana] Ary ny Midiana rehetra sy ny Amalekita ary ny zanaky ny atsinanana nivory, dia nita ka nitoby teny amin'ny tany lemaka Jezirela.