Judges 6:35 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Naniraka olona nankany amin’ny Manase rehetra izy, dia nivory nanaraka azy ireo. Naniraka olona tany amin’ny Asera sy ny Zebolona ary ny Naftaly izy dia niakatra nitsena azy koa ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
nandefa iraka tany amin’i Manase rehetra izy, dia nivory nanaraka azy koa ireo; nandefa iraka tany amin’i Asera sy i Zabolôna ary i Neftalì izy, ka niakatra ireo nitsena azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nandefa iraka tany amin’ny faritany manasita manontolo koa izy mba hiantso ny vatan-dehilahy any hanaraka azy. Mbola nandefa iraka tany amin’ny foko aserita sy i zebolonita ary naftalita koa izy ka tonga nanaraka azy ny vatan-dehilahy tamin’ireny.
Malagasy Bible 1865
Ary naniraka olona nankany amin'ny Manase rehetra izy, dia nivory nanaraka azy ireo; ary naniraka olona tany amin'ny Asera sy ny Zebolona ary ny Naftaly izy; dia niakatra nitsena azy koa ireo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Naniraka olona nankany amin’ny Manase rehetra izy, dia nivory nanaraka azy ireo. Naniraka olona tany amin’ny Asera sy ny Zebolona ary ny Naftaly izy dia niakatra nitsena azy koa ireo.
malagasy
Ary naniraka olona nankany amin'ny Manase rehetra izy, dia nivory nanaraka azy ireo; ary naniraka olona tany amin'ny Asera sy ny Zebolona ary ny Naftaly izy; dia niakatra nitsena azy koa ireo.