Judges 6:38 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nisy tokoa izany. Nifoha vao maraina izy dia nofiazany ny volon’ondry ka nisy ranonando nikoriana avy taminy ary nahafeno lovia iray.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia tanteraka tokoa izany. Fa nifoha maraina koa izy nony ampitso ary nofiazany ny volon’ondry, ka nampandeha ranonando eran’ny kopy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia tanteraka tokoa araka izany; fa raha nifoha maraina i Gidehôna ny ampitso ka nofiazany ny volon’ondry, dia nisy ranon’ando tokony hahafeno kaopy iray.
Malagasy Bible 1865
Ary dia nisy izany; fa nifoha, maraina koa izy, ka nofiazany ny volon'ondry, ary nisy ranon'ando eran'ny lovia.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nisy tokoa izany. Nifoha vao maraina izy dia nofiazany ny volon’ondry ka nisy ranonando nikoriana avy taminy ary nahafeno lovia iray.
malagasy
Ary dia nisy izany; fa nifoha, maraina koa izy, ka nofiazany ny volon'ondry, ary nisy ranon'ando eran'ny lovia.