Judges 6:39 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy ihany i Gideona tamin’Andriamanitra: Aoka tsy hirehitra amiko ny fahatezeranao fa hiteny izao indray mandeha izao monja aho. Aoka mba hozahako izao indray mandeha izao monja ny amin’ny volon’ondry: Aoka ny volon’ondry ihany no ho maina fa ny tany manontolo kosa no ho lenan’ny ando.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa hoy indray i Jedeôna tamin’Andriamanitra: «Aoka mba tsy hirehitra amiko ny hatezeranao, aoka ho afaka hiteny indray maka indray aho: mba te-hizaha kely indray mandeha monja amin’ny volon’ondry indray aho: aoka ny volon’ondry irery no ho maina, fa ny tany rehetra no hilatsahan’ny ando.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hoy indray izy tamin’Andriamanitra: –Aoka mba tsy hirehi-pahatezerana amiko Ianao raha mbola angatahiko zavatra indray mandeha! Te hahazo porofo farany ny amin’ny volon’ondry aho: ka amin’ity indray mandeha ity dia aoka ny volon’ondry ihany no ho maina, fa ny tany manodidina azy kosa ho lenan’ny ando avokoa.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy koa Gideona tamin'Andriamanitra: Aoka tsy hirehitra amiko ny fahatezeranao, fa hiteny izao indray mandeha izao monja aho; aoka mba hizahako izao indray mandeha izao monja amin'ny volon'ondry: aoka ny volon'ondry ihany no ho maina, fa ny tany rehetra kosa no ho lenan'ny ando.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy ihany i Gideona tamin’Andriamanitra: Aoka tsy hirehitra amiko ny fahatezeranao fa hiteny izao indray mandeha izao monja aho. Aoka mba hozahako izao indray mandeha izao monja ny amin’ny volon’ondry: Aoka ny volon’ondry ihany no ho maina fa ny tany manontolo kosa no ho lenan’ny ando.
malagasy
Ary hoy koa Gideona tamin'Andriamanitra: Aoka tsy hirehitra amiko ny fahatezeranao, fa hiteny izao indray mandeha izao monja aho; aoka mba hizahako izao indray mandeha izao monja amin'ny volon'ondry: aoka ny volon'ondry ihany no ho maina, fa ny tany rehetra kosa no ho lenan'ny ando.Dia nataon'Andriamanitra izany tamin'ny alin'iny, ka ny volon'ondry ihany no maina, fa ny tany rehetra kosa dia lenan'ny ando.