Judges 6:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia nirahin’NY TOMPO ho any amin’ny Zanak’Israely ny mpaminany iray izay nilaza taminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely: Izaho no nitondra anareo niakatra avy tany Ejipta, sady nitondra anareo nivoaka avy tany amin’ny trano nanandevozana
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
dia naniraka mpaminany anankiray tamin’ny zanak’i Israely i Iaveh. Hoy izy taminy hoe: «Izao no tenin’i Iaveh Andriamanitr’i Israely: Nitondra anareo niakatra avy tany amin’ny tany Ejipta Aho; ary namoaka anareo tamin’ny trano fanandevozana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
dia nanirahany mpaminany hiteny aminy hoe: –Izao no lazain’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely: «Izaho no nitondra anareo niala tany Ejipta sy namoaka anareo tao amin’ny toerana nanandevozana anareo.
Malagasy Bible 1865
Jehovah dia naniraka mpaminany anankiray ho any amin'ny zanak'Isiraely, izay nilaza taminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Andriamanitry ny Isiraely Izaho no nitondra anareo niakatra avy tany Egypta sady nitondra anareo nivoaka avy tany amin'ny trano nahandevozana
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
dia nirahin’NY TOMPO ho any amin’ny Zanak’Israely ny mpaminany iray izay nilaza taminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely: Izaho no nitondra anareo niakatra avy tany Ejipta, sady nitondra anareo nivoaka avy tany amin’ny trano nanandevozana
malagasy