Judges 7:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nifoha vao maraina i Jerobaala na i Gideona, sy ny vahoaka rehetra teo aminy ka nitoby teo akaikin’ny loharano Haroda. Ny tobin’ny Midianita kosa dia teo avaratra, teo amin’ny lohasaha anilan’ny havoana More.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Vao maraina koa dia nifoha i Jerobaala, dia i Jedeôna izany, mbamin’ny vahoaka rehetra izay tao aminy ka lasa teo ambonin’ny loharano tao Harada. Ny tobin’i Madiàna kosa, dia teo avaratry ny an’i Jedeôna akaikin’ny havoana Môre amin’ny tany lemaka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Vao maraina be i Gidehôna, izay nantsoina koa hoe Jerobahala, no niainga niaraka tamin’ny tafiny manontolo ka nandeha nitoby teo akaikin’i Haîna-Harôda. Ny tobin’ny Midianita kosa dia terỳ avaratra, teo amin’ny lemaka anilan’ny havoana Môre.
Malagasy Bible 1865
Dia nifoha maraina koa Jerobala (Gideona izany) sy ny vahoaka rehetra teo aminy ka nitoby teo akaikin'ny loharano Haroda; ary ny tobin'ny Midiana kosa teo avarany, teo an-dohasaha anilan'ny havoana More.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nifoha vao maraina i Jerobaala na i Gideona, sy ny vahoaka rehetra teo aminy ka nitoby teo akaikin’ny loharano Haroda. Ny tobin’ny Midianita kosa dia teo avaratra, teo amin’ny lohasaha anilan’ny havoana More.
malagasy
Dia nifoha maraina koa Jerobala (Gideona izany) sy ny vahoaka rehetra teo aminy ka nitoby teo akaikin'ny loharano Haroda; ary ny tobin'ny Midiana kosa teo avarany, teo an-dohasaha anilan'ny havoana More.[Haroda = Fangovitana; izahao and.3]