Judges 7:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ho renao izay lazain’ny olona, ary aorianan’izany dia hampaherezina ny tananao hidinanao any amin’ny toby. Dia nidina niaraka tamin’i Pora zatovony izy ho any amin’ny sisin-daharan’ny mpiady izay teo amin’ny toby.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka henoy izay lazain’izy ireo, ary amin’izay dia hihahery ny tananao ka hidina eny an-toby ianao.» Dia nidina niaraka tamin’i Farà mpanompony izy, ka tonga hatrany amin’ny mpiambina tsy aman’afo, eo alohalohan’ny toby.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ho renao any izay ambaran’ny olona, dia hanana herimpo hanafika ianao. Dia nidina niaraka tamin’i Porà mpanompony i Gidehôna hatreo amin’ny mpiambina lohalaharana eo amin’ny toby.
Malagasy Bible 1865
dia ho renao izay lazain'ny olona, ary rehefa afaka izany, dia hampaherezina ny tananao hidinanao any amin'ny toby. Dia nidina niaraka tamin'i Pora zatovony izy ho any an-tsisin'ny olona efa voaomana hiady, izay teo amin'ny toby.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ho renao izay lazain’ny olona, ary aorianan’izany dia hampaherezina ny tananao hidinanao any amin’ny toby. Dia nidina niaraka tamin’i Pora zatovony izy ho any amin’ny sisin-daharan’ny mpiady izay teo amin’ny toby.
malagasy