Judges 7:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny Midianita sy ny Amalekita ary ny zanaky ny Atsinanana rehetra dia nirohotra teny an-dohasaha ka tahaka ny valala ny hamarony; tsy hita isa ny ramevany ary tahaka ny fasika any amoron-dranomasina ny hamarony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
I Madiàna sy i Amaleka mbamin’ny zanaky ny Atsinanana dia niely eran’ny tany lemaka, maro toy ny valala, ary tsy hita isa ny ramevany, hoatra ny fasika eny amoron-dranomasina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary ny Midianita sy ny Hamalekita ary ireo mpifindrafindra lasy avy any atsinanana dia niparitaka teny amin’ny lemaka fa marobe tahaka ny valala; ny ramevany dia tsy hita isa fa tahaka ny fasika eny amoron-dranomasina.
Malagasy Bible 1865
Ary ny Midiana sy ny Amalekita ary ny zanaky ny atsinanana rehetra dia nandry teny an-dohasaha, tahaka ny valala ny hamarony; ary tsy hita isa ny ramevany, tahaka ny fasika any amoron-dranomasina ny hamarony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny Midianita sy ny Amalekita ary ny zanaky ny Atsinanana rehetra dia nirohotra teny an-dohasaha ka tahaka ny valala ny hamarony; tsy hita isa ny ramevany ary tahaka ny fasika any amoron-dranomasina ny hamarony.
malagasy