Judges 7:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa tonga tao i Gideona, indro, nisy lehilahy nitantara nofy tamin’ny namany ka niteny hoe: Nanonofy aho ka indro, nisy silaka mofo varimbazaha hono nikodiadia ho eo amin’ny tobin’ny Midianita ka nankeo amin’ny tranolay iray, dia nandona azy ka nampivadika azy ambony ambany ary nianjera ny tranolay.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tonga teo i Jedeôna ka indro nisy lehilahy anankiray nilaza nofy tamin’ny namany anankiray nanao hoe: «Nanonofy aho, ka indro, nisy mofo orja nikodiadia teo amin’ny tobin’i Madiàna, dia tonga hatrany amin’ny lay, dia nandona azy ka nianjera io; nataony mitsingoloka ny lay, ka voazera teo.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary fony tonga teo amin’ny toby i Gidehôna, dia nisy lehilahy iray nitantara ny nofiny tamin’ny namany hoe: –Nanonofy aho, ka hitako fa nisy mofo ôrza iray nikodiadia namaky ny tobintsika Midianita; nahavoadòna tranolay anankiray izany ka nampiongana azy hivadika ambony ambany.
Malagasy Bible 1865
Ary raha tonga tao Gideona, indro, nisy lehilahy nilaza nofy tamin'ny namany ka nanao hoe: Nanonofy aho, ka, indro, nisy mofo vary hordea nikodiadia ho eo amin'ny tobin'ny Midina ka nankamin'ny lay anankiray, dia nampiongana ka nampivadika azy, ka dia nipetraka teo ny lay.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa tonga tao i Gideona, indro, nisy lehilahy nitantara nofy tamin’ny namany ka niteny hoe: Nanonofy aho ka indro, nisy silaka mofo varimbazaha hono nikodiadia ho eo amin’ny tobin’ny Midianita ka nankeo amin’ny tranolay iray, dia nandona azy ka nampivadika azy ambony ambany ary nianjera ny tranolay.
malagasy