Judges 7:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia namaly ilay namany hoe: Tsy zavatra hafa izany fa ny sabatr’i Gideona, zanak’i Joasy, lehilahy Israelita, mihitsy; efa natolotr’Andriamanitra eo an-tanany ny Midianita sy ny toby manontolo!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia izao no navalin’ilay namany manao hoe: «Tsy inona izany fa ny sabatr’i Jedeôna, zanak’i Jôasy, lehilahy Israelita; efa voatolotr’Andriamanitra eo an-tanany i Madiàna sy ny toby rehetra.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa namaly azy ilay namany ka nanao hoe: –Tsy zavatra hafa no asehon’izany fa ny sabatr’i Gidehôna, ilay Israelita zanakalahin’i Jôasy. Efa natolotr’Andriamanitra eo an-tanany isika miaraka amin’ny toby manontolo.
Malagasy Bible 1865
Dia namaly ilay namany ka nanao hoe: Tsy zavatra hafa izany, fa ny sabatr'i Gideona, zanak'i Joasy, lehilahy Isiraelita, mihitsy: efa natolotr'Andriamanitra eo an-tànany ny Midiana sy ny toby rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia namaly ilay namany hoe: Tsy zavatra hafa izany fa ny sabatr’i Gideona, zanak’i Joasy, lehilahy Israelita, mihitsy; efa natolotr’Andriamanitra eo an-tanany ny Midianita sy ny toby manontolo!
malagasy