Judges 7:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa ren’i Gideona ny filazany ny nofy sy ny heviny dia niankohoka nivavaka izy. Avy eo izy dia niverina ho any amin’ny tobin’ny Israely ka nilaza hoe: Mitsangàna! Efa natolotry NY TOMPO eo an-tananareo ny tobin’ny Midianita!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony ren’i Jedeôna ny filazana ny nofy sy ny heviny, dia niankohoka izy; ka nony tafaverina tany amin’ny tobin’i Israely, dia hoy izy: «Mitsangàna ianareo, fa efa natolotr’i Iaveh eo an-tanantsika ny tobin’i Madiàna.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa avy nandre ny fitantarana ny nofy sy ny heviny teo i Gidehôna, dia niankohoka hisaotra an’Andriamanitra. Ary niverina tany amin’ny tobin’ny Israelita izy ka niantso hoe: –Mitsangàna ianareo fa efa natolotry ny TOMPO eo an-tanantsika ny tobin’ny Midianita.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa ren'i Gideona ny filàzany ny nofy sy ny heviny, dia nivavaka izy; ary niverina ho any amin'ny tobin'ny Isiraely izy ka nanao hoe: Mitsangàna, fa efa natolotr'i Jehovah eo an-tananareo ny tobin'ny Midiana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa ren’i Gideona ny filazany ny nofy sy ny heviny dia niankohoka nivavaka izy. Avy eo izy dia niverina ho any amin’ny tobin’ny Israely ka nilaza hoe: Mitsangàna! Efa natolotry NY TOMPO eo an-tananareo ny tobin’ny Midianita!
malagasy