Judges 7:17 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy izy taminy: Mijere ahy ianareo ka manaova araka izay ataoko; koa rehefa mankany amin’ny sisin’ny toby aho dia izay ataoko no hataonareo koa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
dia hoy izy tamin’izy ireo: «Izaho no hojerenareo, ary izay hataoko no hataonareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nanome baiko ireo izy hoe: –Mijere ahy ianareo, ka izay ataoko no ataovy raha vao tonga eo an-tsisin’ny toby aho.
Malagasy Bible 1865
Dia hoy izy taminy: Mijere ahy ianareo, ka manaova araka izay ataoko; ary, indro, raha mankany amin'ny sisin'ny toby aho, dia izay ataoko ihany no mba ataovinareo koa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy izy taminy: Mijere ahy ianareo ka manaova araka izay ataoko; koa rehefa mankany amin’ny sisin’ny toby aho dia izay ataoko no hataonareo koa.
malagasy
Dia hoy izy taminy: Mijere ahy ianareo, ka manaova araka izay ataoko; ary, indro, raha mankany amin'ny sisin'ny toby aho, dia izay ataoko ihany no mba ataovinareo koa.