Judges 7:19 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nankany amin’ny sisin’ny toby tamin’ny fiandohan’ny fotoam-piambenana faharoa i Gideona sy ny zato lahy niaraka taminy raha vao nanomboka ny fotoam-piambenana amin’ny misasakalina; dia nitsoka anjomara ireo sady namaky ny siny teny an-tanany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Vao avy nosoloina ny mpiambina tamin’ny fiandohan’ny fotoam-piambenana misasaka alina no tonga tao amin’ny sisin’ny toby i Jedeôna sy izy zato lahy niaraka taminy, dia nitsoka trômpetra sy namaky ny siny teny an-tanany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary nony efa madiva hisasaka ny alina, dia tonga teo an-tsisin’ny toby i Gidehôna sy ny antokon’olona niaraka taminy. Vao avy nosoloina ny mpiambina tamin’izay. Nitsoka trompetra ry i Gidehôna sady namaky ny siny nentiny.
Malagasy Bible 1865
Dia nankany amin'ny sisin'ny toby tamin'ny fiandohan'ny fiambenana faharoa Gideona sy ny zato lahy izay teo aminy; raha vao nalatsaka ny fiambenana; dia nitsoka ny anjomara ireo sady namaky ny siny teny an-tanany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nankany amin’ny sisin’ny toby tamin’ny fiandohan’ny fotoam-piambenana faharoa i Gideona sy ny zato lahy niaraka taminy raha vao nanomboka ny fotoam-piambenana amin’ny misasakalina; dia nitsoka anjomara ireo sady namaky ny siny teny an-tanany.
malagasy