Judges 7:2 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy NY TOMPO tamin’i Gideona: Maro loatra ny olona miaraka aminao ka tsy hanolotra ny Midianita eo an-tanany Aho, fandrao haka ny voninahitro ny Israely ka hiteny hoe: Ny tanako ihany no namonjy ahy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy i Iaveh tamin’i Jedeôna: «Maro loatra ity vahoaka miaraka aminao, ka tsy hanolotra an’i Madiàna ho eo an-tanany Aho, fandrao hireharehan’i Israely amiko izany hataony hoe: Ny tanako ihany no nanafaka ahy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy ny TOMPO tamin’i Gidehôna: –Maro loatra ny tafika miaraka aminao ka tsy hatolotro eo an-tanany ny Midianita, fandrao hirehareha amiko ny Israelita ka hanao hoe: «Ny herinay ihany no namonjy anay».
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Jehovah tamin'i Gideona: Maro loatra ny vahoaka eo aminao, ka tsy hanolotra ny Midiana eo an-tànany Aho, fandrao hirehareha amiko ny Isiraely ka hanao hoe: Ny tanako ihany no namonjy ahy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy NY TOMPO tamin’i Gideona: Maro loatra ny olona miaraka aminao ka tsy hanolotra ny Midianita eo an-tanany Aho, fandrao haka ny voninahitro ny Israely ka hiteny hoe: Ny tanako ihany no namonjy ahy.
malagasy
Ary hoy Jehovah tamin'i Gideona: Maro loatra ny vahoaka eo aminao, ka tsy hanolotra ny Midiana eo an-tànany Aho, fandrao hirehareha amiko ny Isiraely ka hanao hoe: Ny tanako ihany no namonjy ahy.