Judges 7:24 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary naniraka olona hitety ny tany be havoana any Efraima rehetra i Gideona mba hilaza hoe: Midìna hisakana ny Midianita ka baboy ny toerana misy rano eo alohany, hatrany Bety-Bara sy i Jordana. Dia nivory ny lehilahin’i Efraima rehetra ka namabo ny toerana misy rano hatrany Bety-Bara sy i Jordana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary nandefa iraka i Jedeôna any amin’ny tendrombohitr’i Efraima rehetra, nanao hoe: «Midìna ianareo, ary tano alohan’izy ireo ny fitàna ny rano hatrany Betibera sy ny fitàna an’i Jordany».
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary nandefa iraka nankany amin’ny faritra manontolo be tendrombohitra any Efraîma i Gidehôna hilaza hoe: –Midîna ianareo hisakana ny Midianita ka mialohà azy hibahana ny toerana fitàna ny ony Jôrdàna hatrany Bety-Barà. Dia nivory ny vatan-dehilahy efraîmita ka nidina nibahana ny toerana fitàna ny ony Jôrdàna hatrany Bety-Barà.
Malagasy Bible 1865
Ary Gideona naniraka olona hitety ny tany havoan'i Efraima rehetra ka nanao hoe: Midina hisakana ny Midiana, ka vonjeo ny rano eo alohany hatrany Beti-bara sy Jordana. Dia nivory ny lehilahy rehetra amin'ny Efraima ka namonjy ny rano hatrany Beti-bara sy Jordana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary naniraka olona hitety ny tany be havoana any Efraima rehetra i Gideona mba hilaza hoe: Midìna hisakana ny Midianita ka baboy ny toerana misy rano eo alohany, hatrany Bety-Bara sy i Jordana. Dia nivory ny lehilahin’i Efraima rehetra ka namabo ny toerana misy rano hatrany Bety-Bara sy i Jordana.
malagasy
Ary Gideona naniraka olona hitety ny tany havoan'i Efraima rehetra ka nanao hoe: Midina hisakana ny Midiana, ka vonjeo ny rano eo alohany hatrany Beti-bara sy Jordana. Dia nivory ny lehilahy rehetra amin'ny Efraima ka namonjy ny rano hatrany Beti-bara sy Jordana.Ary nisambotra ny andriana roa lahy amin'ny Midiana izy, dia Oreba sy Zeba, ary Oreba novonoiny teo ambonin'ny vatolampin'i Oreba, ary Zeba novonoiny teo amin'ny famiazam-boalobok'i Zeba, dia nanenjika ny Midiana izy; ary ny lohan'i Oreba sy Zeba dia nentiny tany amin'i Gideona tany an-dafin'i Jordana.