Judges 7:3 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa ankehitriny, andeha miantso eo anatrehan’ny vahoaka hoe: Izay matahotra na mangovitra dia aoka hiverina ka hiala tamin’ny tany be havoana any Gileada! Dia lasa niverina ny olona roa arivo sy roa alina fa ny iray alina no sisa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa asaovy antsoina ampahibemaso ho ren’ny vahoaka ny hoe: Aoka hiverina izay matahotra sy mangovitra, ka hiala amin’ny tendrombohitra Gelbôe». Lehilahy roa arivo sy roa alina tamin’ny vahoaka no niverina ka iray alina sisa no nijanona.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa izao ankehitriny izao dia ambarao eo anatrehan’ny io tafika io hoe: «Aoka izay rehetra mangovitra noho ny tahotra mba hody any an-tranony!» Dia nanaovan’i Gidehôna fifantenana ny tafiny; ka andiany roapolo tamin’ireo no niverina nody fa andiany folo sisa nijanona.
Malagasy Bible 1865
Koa ankehitriny andeha miantso eo anatrehan'ny vahoaka hoe: Na iza na iza no matahotra sy mangovitra, aoka izy hiverina ka hiala amin'ny tany havoan'i Gileada. Dia niverina ny olona roa arivo sy roa alina; fa ny iray alina no sisa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa ankehitriny, andeha miantso eo anatrehan’ny vahoaka hoe: Izay matahotra na mangovitra dia aoka hiverina ka hiala tamin’ny tany be havoana any Gileada! Dia lasa niverina ny olona roa arivo sy roa alina fa ny iray alina no sisa.
malagasy