Judges 7:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy NY TOMPO tamin’i Gideona: Mbola maro loatra ihany ny olona. Ampidino ho eo amin’ny rano izy ka eo no hizahako toetra azy ho anao; izay holazaiko aminao hoe: Io no hiaraka handeha aminao, dia izy no handeha hiaraka aminao; ary izay holazaiko aminao hoe: Io tsy hiaraka aminao, dia izy kosa no tsy handeha.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hoy i Iaveh tamin’i Jedeôna: «Mbola maro loatra ny vahoaka ka ampidino ho eo amoron-drano izy, fa eo no hanavahako azy ho anao, ka izay holazaiko aminao hoe: Aoka hiaraka aminao io no hiaraka aminao; fa izay holazaiko aminao hoe: Aoka tsy hiaraka aminao io, dia tsy hiaraka aminao.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nefa hoy indray ny TOMPO tamin’i Gidehôna: –Mbola marobe ihany io tafika io, koa ampidino ho eo amoron-drano izy fa eo no hifantenako ho anao. Holazaiko aminao tsirairay izay tokony handeha hiaraka aminao sy izay tsy tokony handeha.
Malagasy Bible 1865
Fa hoy Jehovah tamin'i Gideona: Mbola maro ihany ny olona; koa ampidino ho eo amin'ny rano izy, ary eo no hizahako toetra azy ho anao; ary izay holazaiko aminao hoe: Io no hiaraka aminao, dia izy no hiaraka aminao; ary izay rehetra holazaiko aminao hoe: Io no tsy hiaraka aminao, dia izy kosa no tsy hiaraka aminao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy NY TOMPO tamin’i Gideona: Mbola maro loatra ihany ny olona. Ampidino ho eo amin’ny rano izy ka eo no hizahako toetra azy ho anao; izay holazaiko aminao hoe: Io no hiaraka handeha aminao, dia izy no handeha hiaraka aminao; ary izay holazaiko aminao hoe: Io tsy hiaraka aminao, dia izy kosa no tsy handeha.
malagasy