Judges 7:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nampidinin’i Gideona ho eo amin’ny rano ny olona. Hoy NY TOMPO taminy: Izay rehetra milelaka rano amin’ny lelany tahaka ny filelaky ny amboa dia atokàny, ary izay rehetra mandohalika mba hisotro dia atokàny koa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nasain’i Jedeôna nidina ho eo amoron-drano ny vahoaka, ka hoy i Iaveh tamin’i Jedeôna: «Samy atokàny avy izay milelaka ny rano amin’ny lelany, toy ny filelaky ny amboa, sy izay rehetra mandohalika hisotro».
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nampidinin’i Gidehôna hankeo amoron-drano ny tafiny; ary hoy ny TOMPO taminy: –Izay rehetra milelaka ny rano amin’ny lelany toy ny fanaon’ny alika, dia avaho amin’ireo rehetra mandohalika hisotro kosa.
Malagasy Bible 1865
Ary dia nampidinin'i Gideona ho eo amin'ny rano ny olona; ary hoy Jehovah taminy: Izay rehetra milelaka rano amin'ny lelany tahaka ny filelaky ny amboa dia atokàny, ary izay rehetra mandohalika kosa hisotro dia atokàny koa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nampidinin’i Gideona ho eo amin’ny rano ny olona. Hoy NY TOMPO taminy: Izay rehetra milelaka rano amin’ny lelany tahaka ny filelaky ny amboa dia atokàny, ary izay rehetra mandohalika mba hisotro dia atokàny koa.
malagasy