Judges 7:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia noraisin’ireo an-tanana ny vatsy izay teo amin’ny olona, mbamin’ny anjomarany. Ary ny Israely sisa dia nalefany hody samy ho any amin’ny tranolainy avy, fa ny telonjato lahy ihany no nohazoniny. Ary ny tobin’ny Midianita dia teo ambaniny, teo an-dohasaha.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nakan’izy telon-jato lahy ny vatsin’ny vahoaka sy ny trômpetrany, izay dia nalefan’i Jedeôna hody ny olona sisa rehetra tamin’i Israely, samy ho any an-dainy, fa notanany ny telon-jato lahy. Ny tobin’ny Madianita dia teo ambaniny teo amin’ny tany lemaka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa telonjato lahy ihany no notazonin’i Gidehôna hiaraka aminy fa ny Israelita hafa rehetra nalefany hody any amin’ny fonenany avy; saingy notazonina kosa ny vatsy sy ny trompetran’ireo nandeha. Ny tobin’ny Midianita dia terỳ ambany kokoa tao amin’ny lemaka.
Malagasy Bible 1865
Ary ny olona nitondra vatsy sy ny anjomarany teny an-tànany; ary ny Isiraely sisa dia nalefany hody samy ho any amin'ny lainy avy, fa ny telon-jato lahy ihany no nohazoniny; ary ny tobin'ny Midiana dia teo ambaniny teo an-dohasaha.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia noraisin’ireo an-tanana ny vatsy izay teo amin’ny olona, mbamin’ny anjomarany. Ary ny Israely sisa dia nalefany hody samy ho any amin’ny tranolainy avy, fa ny telonjato lahy ihany no nohazoniny. Ary ny tobin’ny Midianita dia teo ambaniny, teo an-dohasaha.
malagasy
Ary ny olona nitondra vatsy sy ny anjomarany teny an-tànany; ary ny Isiraely sisa dia nalefany hody samy ho any amin'ny lainy avy, fa ny telon-jato lahy ihany no nohazoniny; ary ny tobin'ny Midiana dia teo ambaniny teo an-dohasaha.[Na: Ary nitondra ny vatsin'ny olona ireo]