Judges 8:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy ny lehilahin’i Efraima tamin’i Gideona: Ahoana izao zavatra nataonao taminay izao no tsy mba nantsoinao izahay raha nandeha hiady tamin’ny Midianita ianao? Dia nanome tsiny azy mafy ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy ny lehilahy amin’i Efraima tamin’i Jedeôna: «Mba ahoana kosa izany fomba nataonao taminay izany, no dia tsy niantso anay akory ianao raha handeha hiady amin’i Madiàna.» Sady nilàna sotasota izaitsizy izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hoy ny vatan-dehilahy efraîmita tamin’i Gidehôna: –Nahoana no nanao izao fihetsika izao taminay ianao? Nahoana no tsy niantso anay ianao fony nandeha niady tamin’ny Midianita? Dia nanome tsiny azy mafy ireo.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy ny lehilahy amin'ny Efraima tamin'i Gideona: Ahoana izao zavatra nataonao taminay izao, no tsy nantsoinao izahay, raha nandeha hiady tamin'ny Midiana ianao? Dia nanome tsiny azy mafy ireo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy ny lehilahin’i Efraima tamin’i Gideona: Ahoana izao zavatra nataonao taminay izao no tsy mba nantsoinao izahay raha nandeha hiady tamin’ny Midianita ianao? Dia nanome tsiny azy mafy ireo.
malagasy
Ary hoy ny lehilahy amin'ny Efraima tamin'i Gideona: Ahoana izao zavatra nataonao taminay izao, no tsy nantsoinao izahay, raha nandeha hiady tamin'ny Midiana ianao? Dia nanome tsiny azy mafy ireo.