Judges 8:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary i Zebaha sy i Zalmona dia tonga tao Karkora, niaraka tamin’ny miaramila tokony ho lehilahy dimy arivo sy iray alina, dia izay rehetra sisa tavela tamin’ny miaramila rehetra izay an’ny zanaky ny Atsinanana; ny maty kosa dia roa alina sy iray hetsy, samy lehilahy mpitan-tsabatra avokoa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tany Karkôra i Zebea sy i Salmanà mbamin’ny tafiny niaraka taminy, dia lehilahy tokony ho dimy arivo sy iray alina, izay rehetra sisa tamin’ny foloalindahin’ny zanaky ny Atsinanana manontolo, fa maty ny lehilahy roa alina sy iray hetsy samy mpitan-tsabatra avokoa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
I Zebaha sy i Tsalmonà tamin’io dia tao Karkôra niaraka tamin’ny andian-tafiny 15 eo ho eo. Izay no sisa tamin’ny tafik’ireo mpifindrafindra lasy avy any atsinanana, satria nahafatesana andian-tafika 120 nisy vatan-dehilahy kinga famely sabatra avokoa.
Malagasy Bible 1865
Ary Zebaha sy Zalmona dia tonga tao Karkora mbamin'ny miaramila teo aminy tokony ho dimy arivo sy iray alin-dahy, dia izay sisa rehetra tamin'ny miaramila rehetra an'ny zanaky ny atsinanana; ary ny maty kosa dia roa alina sy iray hetsy, samy lehilahy mpitan-tsabatra avokoa ireo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary i Zebaha sy i Zalmona dia tonga tao Karkora, niaraka tamin’ny miaramila tokony ho lehilahy dimy arivo sy iray alina, dia izay rehetra sisa tavela tamin’ny miaramila rehetra izay an’ny zanaky ny Atsinanana; ny maty kosa dia roa alina sy iray hetsy, samy lehilahy mpitan-tsabatra avokoa.
malagasy
Ary Zebaha sy Zalmona dia tonga tao Karkora mbamin'ny miaramila teo aminy tokony ho dimy arivo sy iray alin-dahy, dia izay sisa rehetra tamin'ny miaramila rehetra an'ny zanaky ny atsinanana; ary ny maty kosa dia roa alina sy iray hetsy, samy lehilahy mpitan-tsabatra avokoa ireo.[Heb. mpanatsoaka sabatra]